Ny hazo sy ny olona

Indray andro hono nisy tananà iray tany antsimo Madagasikara izay be ala indrindra. Ka nampiasaina hanaovana saribao ilay ala. Nanomboka teo dia niakely ny ala. Ary indray andro nivory ny ala rehetra ka niaraka nadinika teo ilay ala. Ary izao no hevitra farany nataony; Ireo ala: “Aleo maka fanampiana amin’ny raona isika mba handetsaka orana tsy mety mijanona amin’ny izay olombelona tsy afaka madoro saribao intsony . Ary lasa ary lehibe ny ala niresaka tamin’ny raona ary toy izao ny nataony: “Ry raona mba mangataka fanampiana aminao re! izahay ala tompoko”. Ary nitodika raona ka namaly hoe : “Hoenty ary teninao henoko”. Namaly ala ka nanao hoe: “Tena mijaly re! izahay fa maty daholo ny taranakay sy ny zanakay hanaovany reo olombelona saribao. Ary namaly raona ka nanao hoe: “Ary inona no hanampiako anareo amin’izany”? Ary teo ny ala no sady natahotra ka namaly moramora toy izao: “Izahay re raona, mba asio orana tsy mety mijanona na maraina na atonadro na ariva amin’zay ny olombelona tsy afaka manao saribao intsony no miverina velona ny taranakay sy ny zanakay. Ka namaly ny raona ka nanao hoe: “Hay ve zany! Mora be amintsika izany. Fa inona ny takalony? Ary namaly ny ala ka nanao hoe: “Omeko anao ny oxygene izay havoakanay isakin’ny maraina” Nieritreritra teo aloha ilay raona naneky izy. Afaka kelikely teo anefa tonga dia maizina ny lanitra ka avy ny orana. Faly ny ala ka nihirahira mafy hoe: “Avotra isika e! e! e! sady nandihy. Teo dia gaga ny olona fa efa herinandro izay nefa orana tsy mety mijanona mihintsy, nefa saribao izao efa ho lany. Indray andro hono nivory ny lehiben’ny Fokontany olona teo tananà tao anatiny trano be anakiray. Ka teo dia niaraka nieritreritra izy ireo , ka izao no hevitra farany noteneniny lehibe Fokontany : “Aleo mangataka fanampiana amin’ny masoandro ka nana o hoe: “Ry masoandro! Mba mangataka fanampiana aminao re anay. Orona ity tsy mety mijanona nefa anay ity mila hazo hanaovana saribao, kanjo ka lasa Tsisy saribao handrahoana sakafo”. Ka namaly ny masoandro : “Inona no azoko anampiana anao?”

Ary namaly ny lehiben’ny Fokontany ka nanao hoe: “Mba ataovy miposaka be re anao sy ataovy mafana be mba hiala sy hijanona ny raona sy ny orana”. Ary naneky ny masoandro, ka afaka kelikely teo tonga dia miposaka sy mafana be ilay masoandro. Ary iray volana taty aoriana lasa Tsisy ny rano samba ny tanimbol ary tsy misy intsony ny hazo. Teo ary dia lehiben’ny ala sy hazo roa no tavela. Ary niresaka tamin’ny hazo ny lehiben’ny Fokontany ka nana hoe: “Mifona re tompoko ô! Izaho no nahatonga izao rehetra izao ka mifona, ao fa resahako ny masoanro”.

Ary lasa hono ny lehiben’ny Fokontany , niresaka tamin’ny masoandro ka nanao hoe: “Ry masoandro! Ataovy amin’ny antonony zakanay re ny hafanana fa tena manimba zavatra betsaka sy tontolo iainana ny hafanana Ambony be loatra. Nieritreritra kely aloha ilay masoandro avy eo dia namaly hoe: “Marina izany aleo atao izay zaka olona ety an-tany ny hafanana”. Avy eo dia niova tampoka teo ny hafanana lasa niverina tamin’ny toetr’andro teo aloha. Teo ary dia nitady hevitra hono ny olona sy ny hazo mba itadiavana hevitra kadrahoana sakafo , tsy mampiasa hazo na saribao. Ka nahita hevitra ny masoandro ka namaly hoe: “Ity misy hevitra iray. Afaka mampiasa ny heriko anareo izay andrahoanareo sakafo.

Dia gaga ny lehiben’ny Fokontany . Hampiasana masoandro ve ny andrahoana sakafo? Izay no tao aneritreitriny. Ary namaly tamin’ny masoandro izy no sady niangavy hoe: : “Mba atoroy anay re ny fanaovan’izany , tompoko. Ary namaly ampitsikiana ny masoandro: “Izao miteny dia anareo no nanamboatra”. Ary naneky ny vahoaka sy ny hazo ka ny masoandro no mibaiko dia ny vahoaka ny hazo manamboatra. Ela ka vita ihany ka natao hoe: no anarany ka avy amin’ny herin’ny masoandro no ampisan’azy. MTT(FRS≠MLG)

Licence Creative Commons Mis à disposition selon les termes de la Licence Creative Commons Attribution 4.0 International.

Rechercher
Fermer ce champ de recherche.
Rechercher
Fermer ce champ de recherche.

Et
Assange
?